Quid du résultat d'audit du logiciel CENI ?
Antoko MMM : Tsy mbola misy fanovana hita taratra ny fikarakarana ny fifidianana Tsy mbola misy fanovana hita taratra ny fikarakarana ny fifidianana hatramin’izao, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Miara-miainga Hajo Andrianainarivelo raha nitondra ny fanehoankeviny nandritra ny fanatrehany ny fikaonandoha savaranonandoha momba ny fifidianana. Fanovana rafitra fa tsy olona no takiana raha tiana ny hananana fifidianana madio sy mangarahara. Tokony ny fanovana ny CENI sy ny lalam-pifidianana no imasoana vao miroso amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana hoy hatrany ny fanazavana
